Entry | na | ||||
Part of speech | conjunction | ||||
Explanations in Malagasy | Teny mpampitohy Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora na kely na lehibe [1.1] | ||||
Explanations in English | Or, nor, though, whether, neither, if. It is also used to form several indefinite pronouns and adverbs. Compare sa [1.2] | ||||
Or; either; neither [1.7] | |||||
Explanations in French | Ou: Manorata na mamakia boky: samy mety daholo izay ataonao (écrivez ou lisez: ce que vous choisissez de faire est bon) ~ Samy mamy na ny ray na ny reny ~ Samy mampalahelo na ny mpandany na ny kahihitra [1.12] | ||||
Ou [1.8] | |||||
Compound words |
| ||||
Entry | na | ||||
Part of speech | particule | ||||
Explanations in Malagasy | Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra,
saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy:
1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo; 2) amin' ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila; 3) amin' ny filazana mpanao asan' ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy [1.1] | ||||
Entry | na | ||||
Part of speech | particule | ||||
Explanations in Malagasy | Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay enti-manazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananarivo na ilay Analamanga fahiny [1.1] | ||||
Entry | na~ | ||||
Part of speech | prefix | ||||
Explanations in French | Préfixe comme dans naotra [1.3] | ||||
Entry | Na | ||||
Part of speech | noun (symbol) | ||||
Explanations in Malagasy | Singa mivaingana, faha-11 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1] | ||||
Explanations in English | Sodium. [3.1] | ||||
Vocabulary | Chemistry | ||||
Origin | Latin: natrium. | ||||
Updated on 2023/08/02 |