Entry | kobanina (kobana) | ||||||||
Part of speech | passive verb | ||||||||
Explanations in Malagasy | Atsikebona ka miloatra daholo ny loto ao aminy: Nokobanin' ny ankizy ny rano tao am-pantsakana ka naloto Hetsiketsehina: Kobany ao anaty barika ny rano hanasana azy Ahontsankontsana: Kobano ny fanafody alohan' ny hisotroana azy (lamba sasana) Atsoboka ao anaty rano madio mba hanala ny ranon-tsavony: Kobanina ny lamba rehefa vita ny fikosehana azy [1.1] | ||||||||
Explanations in French | Qu'on agite, qu’on trouble, qu’on remue dans un récipient. Nokooanin’ ny mpandeha ny rano ka tsy azo sotroina. Les passants ont troublé l’eau, et elle n’est pas potable [1.3] | ||||||||
Examples | Amin'ny farany, kobanina ny lamba mba ho lasa ny ranon-davenona.
[2.117] | ||||||||
Morphology |
| ||||||||
Proverbs | Proverbs containing the word kobanina | ||||||||
Anagrams | ankabony, an-kobany, kinobana, kobanina |
Updated on 2023/02/28 |