Text | - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina.
Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l.
Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany;
miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita.
Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina;
vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.
- Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany;
renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy.
Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany.
Ka mbà
mihevitra, mbà
mitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana.
|